Klioba anisan’ny misongadina eto Analamanga ny Southside Brazilian Jiu Jitsu Madagascar. Ankoatra ny fifaninanana, mitaiza ny mpikatroka ao aminy hanana fisainana sahy sy mahavita mamaha olana ary hampihatra izany eny ambony tatami ireo mpanazatra. Mametraka ho zava-dehibe ny fifampisintonana miakatra mba ho samy ho tafita. Mahay mampiasa araka ny tokony ho izy koa ny zavatra misy eo an-tanana. Mampivoatra tsy miato ny tena, fa kosa mahalala mitondra anjara biriky ho an’ny fiarahamonina misy azy. Ireo no ilofosana eo anivon’ny klioba. Noho ireo fampianarana mafonja omena ny mpikatroka ireo, rariny raha mahita vokatra tsara ny klioba. Nandritra ny « Kids Games”, ny faran’ny herinandro teo, medaly 11 no norombahin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Southside, ka volamena ny 4, volafotsy ny 3 ary alimo ny 4. “Tsy fifaninanana ihany ny Jiu-jitsu fa fianarana miaina ihany koa”, araka ny nambaran’ny mpampianatra eo anivon’ny klioba, Alexandre Herilanto.
Mi.Raz
Vokatra tamin’ny « Kids Games BJJ »:
-Volamena: Rakotoarivony Anay Manohisoa (pee wee U 27 kg ), Randriamirado Mattis (pee wee 27kg), Ravaojanahary Mpandresy Aaron (Junior U 34kg), Ravaojanahary Mikanto Anaïs (junior 34kg).
-Volafotsy: Kelley Cory (pee wee U 27 kg), Rahelison Maëlle Tafitasoa (pee wee U 34kg), Randriamirado Maeva (Teen U 47 kg).
-Alimo: Ratovondriaka Hasiniaina Lucas (Junior U 47 kg), Kelley Soa (Junior 2 U 37kg), Rasolondraibe Tohin’ny Aiko (Junior U 32 kg ), Rasolondraibe Aron’ny Aiko (pee wee 27kg).




