Tenisy ambony latabatra : Mbola lesoka ny lafiny fotodrafitrasa

Notanterahina nanomboka afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasionina malagasy, izay misahana ny taranja eto an-toerana, fa mbola lesoka amin’ny fifaninanana nasionaly tahaka izao ny resaka fotodrafitrasa.
Nambarany koa, omaly, fa toerana iray be mpampiasa ny Lapan’ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, ka voatery hifindra toerana ny fifanintsanana, anio. Araka ny fanazavana azo taminy, ao amin’ny Petit Palais no hitohy ity fifaninanam-pirenena ity. Tsara ny mampahafantatra fa mandray anjara amin’izany avokoa ireo atleta isaky ny ligy, izay mamaritra ny federasionina. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, mpampiantrano, ny avy any Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony.
Zava-dehibe ity lalao ity satria natao hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly, sady hijerena ihany koa ireo mpilalao izay tokony hiakatra ambaratonga. Ohatra, raha 2ème série izy teo aloha ka mahazo isa tsara, hiakatra ho 1 ère série. Tsara ny mampahatsiahy fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Rwanda, i Madagasikara, ny volana oktobra ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: