Fampandrosoana : Nifampizara traikefa ny governoran’ny faritra 18

Nifarana tany Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny, omaly, ny fivoriamben’ny go­ve­rnora avy amin’ny faritra 18 amin’ny 24 manerana an’i Madagasikara, nandritra ny hefarana. Ny ezaka fampandrosoana ny isam-paritra, ny fifampizarana traikefa no anton’ny fivoriana, nibanjinana ny lohahevitra hoe: “Fihaonam­ben’ny governora, ho fampandrosoana mirindra isam-paritra”. “Tanjona iombonana ny fampandrosoan an’i Madaga­sikara”, hoy ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Boeny­,­ Andria­tomanga Mokhtar Sa­lim,­ tany an-toerana, omaly. Ao anatin’izany ny fandinihan-dry zareo miaraka ny olana matetika sedraina amin’ny fifandraisana amin’ireo tomponandraikitra hafa amin’ny fanatanterahana ny fampandrosoana. Eo koa ny fifanakalozana traikefa sy ny fomba fiasa.
Samy manana ny maha samihafa azy ny faritra. Na izany aza, misy fomba amam-panao eo amin’ny fiasa ahazoana mifanakalo traikefa. Toy izany koa ny fahazoana mampitombo ny fahavitrihana amin’ny fitondrana fampandrosoana isam-paritra. Tanjona amin’ny fampandrosoana mi­rindra isam-paritra ny hoe misy fifandraisany avokoa ny ezaka ataon’ny governora tsirairay avy ao anatin’ny fahasamihafana. Eo koa izay mampiavaka ny faritra tsirairay avy. Tanjona ny hoe miara-mandroso ny faritra rehetra, ary mitovy lenta ny fampandrosoana amin’ny faritra, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblika. Andiany voalohany ny fivorian’ny governora tany Mahajanga. Any amin’ny faritra Anosy no hanaovana ny andiany faharoa.

R. Nd.

Partager sur: