Fampiofanan’ny MFFT: Hatsaraina ny fitantanam-bolan’ny kaominina

Mitohy amin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho mpampiofana momba ny fitantanana ny tetibola sy ny volan’ny kaominina. Tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).

Nambaran’ny eo anivon’ny minisitera fa anisan’ireo laharam-pahamehana ny fanatsarana ny paikady amin’ny fitantanana ny tetibola sy ny vola eny anivon’ny kaominina. Mifanaraka amin’izany ny fampahatsiahivana ireo fanatsarana manodidina ny didy aman-dalàna mifehy ny lamina amin’ny fitantanana ny vola sy ny kaonty, indrindra ho an’ireo kaominina ambani­vohi­tra.­  Halalinina mandritra izany ireo fomba arahina sy ny fitaovana lasitra napetraky ny didy amam-pitsipika amin’ny fanatanterahana ny tetibola sy ny fandrafetana ny kaontim-pitantanana. Nizarana traikefa sy nampitoviana ny fomba fijery amin’ny fampiharana ireo fanovana napetraky ny didy aman-dalàna ihany koa izany. Mba hoentina mamakafaka ireo fanao mahazatra sy ny dingana fanatsarana tokony hiantsorohana ihany koa ity atrikasa ity. Nambaran’ny eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Von­drom­bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (INDDL) fa ezaky ny MFFT ny mba hampivoarana hatrany ny kalitaon’ny fanofanana sy tantsoroka maro samihafa ho an’ny kaominina.

Tantsoroka amin’ny filan’ireo kaominina

Miara-misalahy amin’izy ireo ny mpampiofana isaky ny faritra. « Tafiditra amin’ireo dingana manoloana ny fanamby, hitondrana tantsoroka mifanandrify amin’ny filan’ireo kaominina, nofaritan’ny Drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE) izany », hoy izy ireo.
Efa nialohavan’ny fampiofanana ny 19 hatramin’ny 23 aogositra teo, tao Tolagnaro, izao atrikasa fampiofanana ho mpampiofana izao.
Niatrika izany ireo solontenam-panjakana, lehiben’ny sampandraharahan’ny vola eo anivon’ny faritra sy ny kaominina ambonivohitra. Eo koa ny avy amin’ireo sampandraharaham-panjakana anapariaham-pitondrana anatin’ny faritra.

Synèse R.

Partager sur: