Taorian’ny andro voalohany, efa tsy omby ireo olona nisoratra anarana ny fiaramanidina nomanin’ny fanjakana hihazo an’i Kenya. Mbola maro ireo nilahatra, omaly, na dia efa tapitra aza ny fe-potoana. Hitohy anio ny fandraisana ireo mbola maniry handeha.
Taorian’ireny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mahakasika ny hitondrana mpijery ho any Kenya, hanohana ny Barea A’, ny talata lasa teo, nifandrombahana ny fisoratana anarana tetsy Mahamasina, omaly. Marihina fa 2 209 000 Ariary ny saran’izany.
Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Mahamasina, fa mety hanafatra fiaramanidina iray hafa izy ireo, noho ny hamaroan’ireo mpisoratra anarana handeha ho any Nairobi, hanohana ny ekipa nasionaly, izay hiatrika ny famaranana ny “Chan 2024”.
“Misaotra ny filohan’ny Repoblika malagasy ny tenako, amin’ny fanomezany fahafahana lehibe ho an’ny vahoaka, mba hanohana ny Barea, any Nairobi Kenya. Tsara marihina fa iantohan’ny fanjakana ny antsasak’izay tokony haloa amin’ity fandehanana any Kenya ity”, hoy ny minisitry ny MJS, Moustapha Abdulah Marson.
Araka ny fanazavan’ity lehibe eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ity hatrany, misy orinasa lehibe maro naka tapakila manodidina ny toerana 50 isa. Mahavelombolo azy ireo ny mahita fa vonona ny hanohana fa tsy hijery lalao fotsiny ny Malagasy mpankafy baolina kitra amin’izao fahatongavan’ny olona misoratra anarana izao.
Horaisina an-tanana ny fianakavian’ny mpilalao
Miisa 40 ireo fianakavian’ny mpilalao ao amin’ny Barea no iantohan’ny fanjakana handeha any Kenya. Ho fanomezana fahafaham-po sy ho fankasitrahana ny zava-bitan’ireo mpilalao ny anton’izany. Ankoatra izay, tsy nohadinoin’ny fitondrana ihany koa ilay vehivavy nanome ny anaran’ny ekipam-pirenena ho Barea. Anisan’ireo handeha any Kenya koa izy izay noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fiantohana azy.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ilay saran’ny sidiny naloan’ny tsirairay avokoa ny zavatra rehetra ilainy any Kenya. Anisan’izany ny tapakila fanatrehana ny lalao, ny “Kit” hahafahana manohana ny Barea. Hisy ihany koa fiara iray manokana hitondra ny Malagasy avy eo amin’ny seranam-piaramanidina mankeny an-kianja. Tsiahivina fa ny sabotsy aorian’ny lalao ihany ireo mpijery ireo dia mody eto an-tanindrazana, raha tsy misy ny fiovana farany.
Notolorana “prime”
Araka ny fampanantenana efa nataon’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, an’ireo mpilalao, notolorany tambin-karama “prime de victoire”, izy ireo sy ny staff, omaly, taorian’ny vokatra tsara azon’izy ireo, nanoloana an’i Soudan, tamin’ny manasa-dalan’ny “Chan 2024”.
Marihina fa andro anio sisa dia hiatrika ity fotoan-dehibe ity ny Barean’i Madagasikara sy ny Lion de l’Atlas Maroc. Fifanandrinana izay hotanterahina any Nairobi Kenya, ny sabotsy ho avy izao, amin’ny 6 ora hariva, ora eto Madagasikara. Hatramin’ny omaly, izay nanaovanay fanadihadiana, samy nilaza ireo mpisehatra amin’ny fanatanjahantena fa tsara ny zava-bitan’ny Barea.
Hotsenaina amin’ny fomba manetriketrika
Araka ny fandaharam-potoana voafaritra, hotsenaina amin’ny fomba manetriketrika eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo mpilalao sy ny ekipa rehetra niaraka taminy tany Kenya, ny alahady ho avy izao. Ho fanomezam-boninahitra azy ireo amin’ny ezaka lehibe nataony tany an-toerana ny anton’izany. Nanandratra ny voninahi-pirenena izy ireo ka mila fandraisana amin-kafaliana. Nampifoha ny fitiavan-tanindrazana ao anatin’ny Malagasy ihany koa, izay mikendry ny ho lohany fa tsy farany. Hetsika goavana, araka izany, no hitsenana ireo maherifon’ny Malagasy, amin’io fotoana io.
Hiaka-dapa…
Aorian’ny fitsenan’ny vahoaka malagasy azy ireo, ho raisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo mpilalao sy ny vady aman-janany, amin’ny herinandro ambony. Azo eritreretina, araka izany, ny fanomezana azy ireo fankasitrahana avy amin’ny fitondram-panjakana. Tsy manao ambanin-javatra ny mpilalao mahazo vokatra tsara rahateo ny Filoham-pirenena, raha ny zava-nisy efa nataony hatramin’izay. Voninahi-pirenena rahateo no narovan’ireo mpilalaon’ny Barea A’ ireo.
Nanatontosa : Fitia Randria




