Iompanan’ny atrikasan’ny Ceni, tanterahina any Mahajanga, ny fandrefesana ny ezaka natao. Hamafisina sy faritana koa ireo mety ho ambana sy ny fisorohana izany amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama. Dingana manaraka ny fandravonana ny tolokevitr’ireo mpiantsehatra, hanatsarana ny fifidianana.
Namoaka andalan-teny amin’izao nahalasanan’ny reniny, Ratsiraka Celine, izao ny zanany, ny depiote Ratsiraka Sophie. Nambarany fa tsy misy teny mahalaza ny faharatrana mahazo ny fianakaviana amin’ny fodiamandrin’ny reniny. « Mitondra hery lehibe ho anay ny firaisankina, ny fiombonam-po asehonareo sy ny vavaka avy amin’ny tsirairay », hoy izy.
Anisan’ireo nampahery sy namita ny adidy farany amin’ny nahalasanan-dRatsiraka Celine ireo avy amin’ny fanoherana ao Toamasina. Nahitana solontena avokoa ny HVM, ny Tim sy ny avy amin’ny Firaisankina ary ireo maro hafa. Tsiahivina fa halevina anio ny nofo mangatsiakan’ny vadin’ny amiraly Ratsiraka ity.
Naneho fiaraha-miory amin’ny nahafatesan’ireo manamboninahitra sy nirary fahasitranana ho an’ireo naratra tamin’ny loza teny Arivonimamo ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. « Mankahery ny fianakaviamben’ny foloalindahy izahay. Ho an’ny Tanindrazana », hoy izy.




