Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 23 handrafitra ny Barea A, hiatrika ny fifanintsanana “Mondial 2026”, hihaonana amin’i Centrafrique sy i Tchad, ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly malagasy, i Corentin Martins, omaly.
Ela ny ela! Namoaka ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Barea A miisa 23, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny FMF ny mpanazatra, i Corentin Martins, omaly. Nisongadina tamin’izany ny fahatongavan’i Andy Pelmard, vodilaharana milaravinahitra ao amin’ny Clermont Foot, divizionina faharoa ao Frantsa, sy ireo mpilalao Barea A’, izay mamiratra amin’izao fifaninanana “Chan 2024” izao. Ahitana an’i Bono sy i Nicolas, vodilaharana, ary i Toldo, mpiandry harato, miampy an’i Mamisoa, mpilalao afovoany.
Ankoatra izy efatra mirahalahy ireo, misy mpilalao telo hafa koa amin’ity Chan ity, nantsoin’ity frantsay teknisianina ity. Anisan’izany i Tony sy i Lalaina ary i Rado. Tsara marihina fa tsy tazana tao anaty lisitra ry Sonny Laiton sy i Melvin Adrien, izay samy mpiandry harato mila ravinahitra any ivelany.
Hatao any Maroc ny lalao …
Noho ny tsy fisian’ny kianja ankatoavin’ny Caf eto Madagasikara, voatery any Maroc indray ny Barea no handray ny lalao hihaonana amin’i Centrafrique sy i Tchad. Araka ny fikarohana natao, ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli Casablanca no hanaovana ny fifanandrinan’i Madagasikara sy i Centrafrique, ny 4 septambra ho avy izao. Mbola ao amin’io toerana io ihany koa no hifandona ny Malagasy sy ny tchadianina, ny 8 septambra ho avy izao.
Fitia Randria
Ireto avy ny lisitr’
ireo mpilalao 23 voaantso Barea A :
Mpiandry harato (3): Razakanirina Nina (As Marsouins), Geordan Dupire (FC Swift Hesperange), Michel Ramandimbisoa na i Toldo (Elgeco Plus)
Vodilaharana (8): Sandro Tremoulet (FK Radnik Surdulica), Eshan Kari (Etoile FC St Raphael), Andy Pelmard (Clermont Foot 63), Radoniaina Rabemanantsoa (AS Fanalamanga), Tony Randriamanampisoa (Elgeco Plus), Morgan Jean Pierre (Fleury FC), Nicolas Randriamanampisoa (Fosa Juniors), Bono Rabearivelo (Disciples FC)
Afovoany (6): Clement Couturier (Fleury FC), Marco Ilaimaharitra (Standard de Liege), Mamisoa Rakotoson (Elgeco Plus), Lalaina Rafanomezantsoa (CFFA), Rayan Raveloson, (Young Boys) ary i Johan N’Zi
Lohalaharana (6): Njiva Rakotoharimalala (Ratchaburi FC), Arnaud Randrianantenaina (El Gouna), El Hadary Raheriniaina (Valenciennes FC), Hakim Abdallah (Uta Arad), Warren Caddy (FC S Lausanne-Ouchy), Bryan Adinany (K Lierse SK)




