Nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny 30 aogositra izao, ao Toliara, ny fifaninanana “Tournoi du Capricorne”, taranja judo. Fifaninanana anisan’ny goavana ho an’ity taranja ity, mialoha ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny volana desambra izao.
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy, taranja basikety. Fifaninanana tanterahina any Arivonimamo. Anisan’ny hifanandrina eo amin’ny sokajy lehilahy ny JCBA sy ny ASB, eo koa ny Ascut sy ny NBE.
Mitohy hatrany ny fampivondronana sy ny fanazarantena ataon’ny Barea U17, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hatramin’ny omaly, miisa 28 ireo mpilalao tazana eny an-toerana. Hita efa manamasaka ny fahaiza-miaraka ny ekipa nasionaly sokajy zandriny. Tsiahivina fa hiatrika ny « Cosafa 2025 », U17 izy ireo.




