Taorian’ny fahavitan’ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, tsy mitsahatra mitady ny fomba ampiakarana ny lentan’ity taranja ity ny mpitantana ny FMDSS. Manatanteraka fitsidiham-paritra izy ireo, manome fiofanana ho an’ny mpitsara fifaninanana. Mpitsara 20 no efa nisitraka izany tao Vakinankaratra, ary 22 kosa tany Atsinanana. Hitohy any Boeny, ny 1 hatramin’ny 5 septambra izao, izany fampiofanana mpitsara izany ary any Diana, ny 6 hatramin’ny 11 oktobra izao, raha ny fandaharam-potoana. “Efa ambony be amin’izao ny lentan’ny mpifaninana ka mila manana ny haavo teknika mifanaraka amin’izany ireo mpitsara”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina, Randrianarisoa Rijamanitra. Izany indrindra no anton’izao fiofanana izao. Eo amin’ny fifaninanana kosa, ny “Trophée Magnitry Danse”, andiany faha-5 no fandaharam-potoana manaraka, izay hatao ny 11 oktobra izao. Amin’ny taona 2026 kosa no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.
Mi.Raz




