Manameloka ny fanelezana vaovao diso sy fanosoram-potaka ny seraseran’ny Primatiora. Tsy marina ny fanononana anaty tambajotran-tserasera sy fampifandraisana ny anaran’ny praiminisitra Ntsay Christian amin’ny olona lazaina fa zanany lahy eto an-dRenivohitra. « Tsy manan-janaka mipetraka na mandalo eto ny praiminisitra », hoy ny fanambarana.
Hifarana rahampitso ny andron’ny Vovonan’ny olon-dehibe « Journée nationale des Adultes – JNA » eo anivon’ny Fiangonana katolika, tanterahina any Morondava. Anisan’ny hiompanan’izany ny momba ny andraikitry ny olon-dehibe eo amin’ny fiainan’ny fiarahamonina, ny fiangonana. Eo koa ny vavaka sy atrikasa ary fifampizarana traikefa.
Nandray ny avy amin’ny antoko Sinoa, CC PPC avy any Hunan, i Li Min, ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, afakomaly, tetsy Anosy. Noresahina ireo sehatra iarahana miasa. Anisan’izany ny fizahantany, ny harena an-kibon’ny tany, ny kolontsaina. Eo koa ny sehatry ny fambolena, indrindra ny fambolena vary safiotra (Hybride).
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filohan’ny Antoky ny fivoaran’ny Malagasy (Afima). Hentitra sy nahitsy ny tenany nilaza fa anisan’ny olan’ireo mpitondra eto amintsika ny tsy fananana vinan’asa mazava. « Ny masaka ao an-tsaina no eritreretina fa tsy ny zava-dehibe sy ny laharam-pahamehana », hoy izy.




