Hatao, anio, any Kenya, ny famaranan’ny “Chan 2024”. Samy vonona ny haka io amboara lehibe io i Madagasikara sy i Maroc. Ho avy hanohana ny Barea any Kenya ny filoham- pirenena malagasy.
Tonga ity ny fotoana! Hiatrika ny lalao famaranan’ny “Chan 2024”, izay hatao any Nairobi Kenya, anio, i Madagasikara. Hifanandrina amin’ny Barea A’ amin’izany ny Lion de l’Atlas Maroc, izay efa indroa nisesy (2018, 2020) nandrombaka ny Chan. Tsara ny mampahatsiahy fa ny ekipam-pirenena malagasy, izay sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra afrikanina no hiatrika famaranana tahaka izao. Raha hiverenana ny lalao manasa-dalana nataon’ny roa tonta, ny Barea nanilika ny ekipa nasionalin’i Soudan, tamin’ny isa 1 no ho 0, ary i Maroc, nanintsana an’i Senegal, teo amin’ny fandakana «tirs au but», 5 no ho 3, rehefa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Raha eo amin’ny lafiny taratasy, mipetraka ho favoris hatrany i Maroc, saingy ho gidragidra ny fifanandrinan’ny roa tonta amin’ity, samy hiezaka ny hibata ilay lelavola 3 tapitrisa 500 dolara na 15, 4 miliara Ariary ny ekipa roa tonta. Ankoatra izay, nilaza ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, omaly, fa tsy afaka hilalao amin’ity famaranana ity i Rado sy i Fenohasina ary i Andy. Antony, nahazo karatra mena i Fenohasina tamin’ny fifandonana tamin’i Soudan, i Rado nahazo karatra mavo nifanesy tamin’ny lalaon’i Kenya sy i Soudan. Maratra kosa i Andy.
Nahazo fanasana ny Filoha
Ankoatra izay, ho avy hijery ny lalao famaranan’ny Chan ny filohan’ny Fifa, Gianni Infantino. Nahazo fanasana manokana avy amin’ny lehiben’ny Caf, Patrice Motsepe, kosa ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Antenaina izany fa ho avy hanohana ny Barea any an-toerana ny filoham-pirenena, raha tsy misy ny fiovana farany satria ny ekipam-pirenena malagasy no hiady ity amboara goavana ity.
Fitia Randria




