Rugby – «Top 8 Mada»: Hanala vela amin’ny FTM ny TFA

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso, ny dingana manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja rugby na «Top 8 Ma­da». Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Man­jakaray. Hiendri­ka famaranana kely ny an’ny roa tonta. Adin’ny samy kartie mantsy io ary ekipa diso mi­fan­kahalala tsara ireo hifanandrina. Amin’ ity, hanala vela amin’ny Man­jakaray ry zalahy Anatihazo.
Samy manana ny fahaiza-manaony na ny FTM na ny TFA ary samy misy mpilalao tanora kinga sy havanana, saingy ma­natombo kely eo amin’ny traikefa amin’ny fiatrehana lalao goavana ny Man­jakaray. He­ve­rin’ny rehetra ihany koa fa la­laon’ny mpanazatra ny azy ireo. Mbola fihaonana goavana ihany koa ny fihaonan’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Tam Anosibe. Lalaon’ny kartie sy boaty ny azy ireo. Samy tompon’ny tanjaka ka ho resy izay ratsy fa­no­manana amin’ity. Ambony amin’ny ara-taratasy anefa ny Be­baoty saingy manana ilay toe-tsaina vonon-kandresy sy hifono vy ny mpilalaon’Anosibe.
Ankoatra izay, hotontosaina amin’io ihany koa ny ankatoky ny famaranana, sokajy ve­­hivavy. Hanokatra izany ny an’ ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTM Manjakaray ary ny SCB Besarety sy ny FTFA Antoho­ma­dinika (Atômika). Fihaona­na hangotraka tokoa satria ha­nala vela ry zareo Atômika.

Tompondaka

Partager sur: