Nahemotra amin’ny 20 sy 21 septambra izao ny fifaninanana “Alley Hoop Quest 3×3”, taranja basikety, ho an’ny sokajy U17 sy U23 lahy sy vavy, nokasaina hatao ny faran’ity herinandro ity. Noho ny fifanindriana amin’ny fitsenana ny Barea no antony raha ny voalazan’ny mpikarakara. Hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha kosa ny fifaninanana eo amin’ny élites, lehilahy, anio sabotsy 30 aogositra.
Hotontosaina, ny 20 hatramin’ny 28 septambra izao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy D1 lahy sy vavy, taranja volley-ball. Eto Antananarivo ny hanaovana ity fifaninanana ity ary manomboka ny 10 septambra ny fisoratana anarana ho an’izay handray anjara.
Tontosa ny 23 hatramin’ny 28 aogositra lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja échecs. Voahosotra ho tompondaka Andrianiaina Haritiana, avy amin’ny klioban’ny Joker. Tsiahivina, mpifaninana 135 manerana ny Nosy no nifaninana tamin’izany.




