Mois : août 2025

Mitety vanim-potoana: Fiarahan’ i Inah, Nini Kiaka ary Mbola Talenta

Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. […]

Fifaninanana « Tafan-gilita » : Hiray sehatra amin’ny kalaza ireo 10 tafakatra

Roa andro ho an’ny gitara fotsiny. Anisan’ny lokan’ireo mpifaninana ny hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny tendry gilita eto Madagasikara. Ankoatra ny gitara lafovidy miandry ireo voalohany izany. Willy, Hira, Jizry, Ra­mily, Ny aro, Mika, Joël, Dina, Fabio ary Mikajy. Ireo izy 10 lahy tafavoaka tamin’ny “Prime 4”, an’ilay fifaninanana “Tafan-gilita”. Izy […]

SOMBIM-BAOVAO

Ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano no hanatanterahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, ho an’ny taona 2025. Ny 24 sy 28 aogositra izao no hanaovana ity fifaninanana ity izay mbola mitohy ny fifaninanana. Hihemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball ho an’ny […]

“Afrobasket 2025” : Resin’i Nizeria 77-59 ny Ankoay

Niakatra an-kianja voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, ao anatin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy hatao any Angola. Ratsy fanombohana izy ireo, raha ny vokatra satria nolavoin’i Nizeria tamin’ny isa 77 no ho 59 ny ekipan’i M’Madi sy ny namany, rehefa nanao tandrevaka teo amin’ny ampaham-potoana fahatelo ka nampisy elanelana […]

Malagasy Rugby: Hanome sehatra ny lalao ho an’olona 7

Ho fampiroboroboana ny rugby lalaovin’olona 7, hisy ny “tournoi” karakarain’ny federasionina ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 aogositra ho avy izao. Fihaonana ho an’ny sokajy vehivavy sy lehilahy, tanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Samy nahatsapa mantsy ny rehetra fa raha ampy fifaninanana, lasa lavitra amin’ity rugby ho an’olona […]