Mois : août 2025

Antaravay-Toliara : Jiolahy lavon’ny balan’ny UIR

Maty tsy tra-drano voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny nitam-piadiana tao Antaravay, Toliara, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy, tamin’ny 11 ora. Enin-dahy no ren’ny mpitandro filaminana fa hanao fanafihana ao amin’io tanàna io. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny ekipan’ny UIR rehefa nahazo loharanom-baovao. Nikoropaka ireo olon-dratsy rehefa nahatazana ny […]

Lozam-piarakodia RN1 : Kaomisera sy Inspektera niara-maty

Kaomisera sy Inspektera niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Tsinjoarivo Imanga, omaly. Simba tanteraka ny fiara nitondra azy ireo. Kaomisera miasa eo anivon’ny kaomisaria Tsi­roanomandidy ny iray tamin’ireo polisy roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenana voalohany, PK 45 +200, hidirana ny tete­zan’Imanga Tsinjoarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, oma­ly. Miisa efatra […]

Tsipy kanetibe – « Masters 2025 »  : Nihemotra laharana fahatelo ny Malagasy

Raha laharana voalohany ny ekipa malagasy taorian’ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, ta­ranja tsipy kanetibe. Nivarina fahatelo indray taorian’ny fahavitan’ny dingana fahefatra, notanterahina tao Palamas-Les-Flots, France, ny talata lasa teo. Raha tsiahivina, nihin­tsana teo amin’ny dingana am­pahefa-dalana i Zigle sy i Tiana ary i Yves. Resin’ny ekipan’i Bonetto, […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpilalao 20 nantsoin’ny mpanazatra ny Paris FC, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonana amin’ny ekipa voafantin’ny UNFP, i El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra. Ity fifanandrinana ity, izay natao omaly, ary efa mamiratra tante­raka izy amin’izao fotoana izao. Hiatrika ny lalao hiadiana ny laharana amin’ ny taranja tenisy, sokajy […]

“Chan 2024” : Tsara toerana handimby an’i Dax i Mamisoa

Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Benja­min Mkapa Stadium, Dar Es Salaam, ny fifandonan’i Tanzanie, mpampiantrano sy i Madagasikara. Lalao izay tafiditra amin’ ny andro fahatelon’ny fifanintsanana “Chan 2024”, tontosaina any Tanzanie, Kenya, Ouganda, ho an’ny vondrona “B”. Mbola baraingo ny mpilalao handimby ny toeran’i Dax, kapitenin’ny ekipa […]