Mois : août 2025

4×4 latsaka tanaty hantsana : Ramatoa 72 taona namoy ny ainy

Maty tsy tra-drano vokatry ny fivadihan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny renim-pianakaviana iray teny amin’ny fokontany Tsiazonkirano. Tsy nahatana ny familiana ny mpamily ka nilatsaka tany anaty hantsana ny fiara. Renim-pianakaviana iray 72 taona maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK160+900, fokontany Tsia­zokirano, kaominina Tsara­ma­soandro, distrika […]