Mois : août 2025

Fihodinan’ny toekarena : Manana anjara toerana lehibe ny orinasa madinika sy salantsalany

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny toekarena eto amin’ ny Nosy, ny orinasa madinika sy salan­tsalany. Ny PME no mampandeha ny toekarena malagasy. Matetika anefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo, takon’ireo tsy manara-dalàna amin’ny fifaninana, indrindra eo amin’ny famatsiam-bola. Mihena ankehitriny ny isan’ny fananganana orinasa madinika sy salantsalany, toy ny […]

« Foara Ambalasira », andiany I : Ny fampandrosoana ny faritra Amoron’i Mania

Notanterahina nandritra ny 20 hatramin’ny 24 aogositra lasa teo, tao Antamponivinany Ambositra, ny hetsika ara-toekarena « Foara Ambalasira », andiany voalohany. Tanjona amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena ara-kolontsaina sy ny asa tanana manokana. Toy ny hazo voasokitra, firavaka, asa tanana amin’ny landy. Eo koa ny fanohanana ara-toekarena ireo mpanao asa tanana […]

Tetikasa Haratonaina: Manampy ny olona tsy hikorosy fahana

Nitondra fanazavana momba ny tetikasa Haratonaina ny tomponandraikitra ao amin’ny Fid. Vaindohan-draharahan’ny tetikasa ny hanala ny olona anaty kizofaran’ny fahantrana. Manampy ny olona hiomana amin’ny fisondrotana amin’ny fiainana. Manome fitaovana ny olona hiavotana amin’ny alalan’ny tohana ara-bola, fanofanana ara-pihariana… Ireo tokantrano tena marefo no misitraka ny tetikasa. Vatsin’ankohonana sy Asa […]

Fampandrosoana eny ifotony: Mametraka vina ho an’ny 15 taona ny MFFT

Efa mijery lavitra kokoa ny fampandrosoana eny ifotony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Ambanja, faritra Diana. Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny kaominina Amban­ja, ny atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ho amin’ny fitohizan’ny famolavolana sy fanamboarana ny drafitra fampandrosoana […]