Nafana ny teny an-tsehatra… Nafana nanaraka izany ihany koa ny mpijery. Nandihy ny teny an-tsehatra… Nanetsika ny vatany sy ny tanany ary ny tongony moramora ihany koa ny iray efitrano… Nanolotra ny kanto ny tarika Ny Voanio… Tafiditra ao anatin’ireo fampisehoana hoenti-manamarika ny faha-60 taona. Nanatanteraka seho miavaka tao amin’ny […]
Mois : août 2025
TSELATRA
Lehilahy iray nitondra kodiaran-droa, naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Tanjombato, omaly hariva. Nanao taingin-droa ary nitondra ny zanany lahy kely izy io tamin’izany. Nianjera ny moto notengainan’izy ireo ka niteraka ny loza. Vokany, naratra mafy ilay raim-pianakaviana raha toa ka tsy naninona kosa ny zanany. Mpianaka avy […]
Vely « bois rond » misy fantsika: Lehilahy iray namoy ny ainy, tratra ny olon-dratsy
Novelesin’ny jiolahy tamin’ny “bois rond” misy fantsika tany Mangarivotra, omaly, ny mpivady. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy i Crino Pierre, raim-pinakaviana 45 taona. Raha toa ka mbola manaraka fitsaboana kosa ny vadiny. Avy niandry faty tany Akirihiry ary hamonjy fodiana any an-tranony izy mivady ireo ny […]
Nangalatra 2 tapitrisa Ar: Telo lahy voasambotry ny polisy
Notanan’ny polisy ireo telo lahy voasaringotra amin’ny hala-bola mitetina 2 tapitrisa Ar tao Mananara Avaratra, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny toerana iray ny olona miisa roa nampiahiahy. Tsy naharaka na inona na inona ny talen’ny orinasa kanjo nanjavona ny vola 2 tapitrisa Ar, ny 21 aogositra. Nampandre ny polisim-pirenena avy […]
Fandefasana mpiasa any ivelany: 30 ireo trangana fisolokiana, olona dimy naiditra am-ponja
Nahatratra 30 isa ny trangana fisolokiana mahakasika ny fandefasana mpiasa any ivelany, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka. Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana ny 4 sy ny 20 aogositra 2025 lasa teo. […]




