Basikety-Mada U20 : Tompondaka ny EBF sy ny NBE

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Arivonima­mo, ny famaranana ny  fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny NBE Vakinankaratra ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny ekipan’ny EBF Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa fifaninanana mamarana ny taona, mialoha ny hidirana amin’ny dingana farany ho an’ny sokajy N1A sy N1B io natao io. Izany hoe, vita daholo izany ny fifaninanana tamin’ny sokajy rehetra ho an’ny taom-pikatrohana 2025, raha ny taranja basikety no resahina. Raha hi­verenana ny vokatra teo amin’ ny sokajy latsaky ny 20 taona, nandresy ny ekipan’ny Fan­drefiala, tamin’ny isa 53  no ho 46, ny NBE Vakinanka­ratra. Isa 55 no ho 43 kosa no nandavoan’ny EBF Matsiatra Ambony ny ekipan’ny Mb2All, teo amin’ny sokajy vehivavy. Laharana fahatelo ny RBC Boeny,  teo amin’ny sokajy le­hilahy, ary ny JEA Vakinanka­ratra kosa no teo amin’ny so­kajy vehivavy.

Mi.Raz

Partager sur: