Filoha nasionalin’ny RPSD : «Manara-dalàna tsara ny tetiandron’ny Ceni»

Naneho ny heviny ny eo anivon’ny antoko RPSD, amin’ ny alalan’ny filohany, An­drian­tsizehena Benja Urbain (Bebain), mivondrona eo anivon’ny Armada sy ny Irmar. «Manara-dalàna tsara ny nataon’ny Ceni, namoaka ny volavolan’ny datim-pifidianana loholona ny 11 desambra izao», hoy izy, omaly. Nan­teriny tamin’izany fa tokony hanaraka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara isika. Notsiahiviny ny voalaza amin’izany fa 5 taona ny fe-potoam-piasan’ireo loholona. Niainga amin’ny fifidianana natao ny 11 desambra 2020 izany ka iny namoaka tolo-kevitra ny hanaovana izany ny 11 desambra izao iny ny Ceni. « Nalefa any amin’ny governemanta izany ka hamoahana didy sy hiantsoana ireo mpifidy vaventy ao anatin’ny sivy folo andro mialoha ny fifidianana », hoy izy.
Nofaritany tamin’izany koa ny andraikitry ny loholona sy ny fomba fifidianana ary ny fari-pifidianana. Misolo tena ireo vondrom-paritra itsinjiram-pahefana, vondrondraharaha ara-toekarena sy ara-sosialy izy ireo, araka ny nambarany. Fidin’ny mpifidy va­venty, ahitana ny ben’ny Ta­nàna sy mpanolotsain’ny kaominaly ny roa ampahatelony raha tendren’ny filoha kosa ny iray ampahatelon’ireo mpikambana eo anivon’ny An­te­nimierandoholona. « Manana zo feno tanteraka ny filoham-pirenena sy ireo mpifidy vaventy hanao tomban’ezaka ireo loholona am-perinasa mbola hieritreritra hirotsaka na nahavita ny zavatra nankinina taminy izy ireo na tsia », hoy ihany i Bebain.
Nambarany koa fa azo atao ny mikitika ny isan’ireo loholona isaky ny faritany. Lalàna fehizoro mandalo eny amin’ny parlemanta no mamaritra ny isany, araka ny nambarany.

Synèse R

Partager sur: