Karate Tanà Ville-« Kids Cup&U14 » : Nahazo medaly 18 ny ny klioban’ny Tekado

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Re­nivohitra, taranja karate. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny klioban’ny Tekado. Karatekas 18 no solontenan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity ary tena tsa­ra ny vokatra azo. Medaly 18 be izao noraofin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tekado, ka volamena ny 7, volafotsy ny 2 ary alimo ny 9. Nahave­lombolo ny vokatra ary hita fa klioba anisan’ny manana ny maha izy azy ny Tekado. Téo amin’ny sokajy Kids, U14 ary Cadets no nandraisan’izy ireo anjara ka nahazoana izao vokatra izao. Raha hiverenana izay vokatra izay, anisan’ny nandrombaka medaly volamena 2 be izao Randria­narivony Mael. Efa mamiratra hatrany ity mpikatroka ity amin’ny fifaninanana rehetra izay andraisan’ny Tekado anjara ary mbola noporofoiny izany tamin’ity fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja karate, ity.

Mi.Raz

Ireo nahazo medaly
volamena
1- Randrianarivony Mian­gola 2- Randrianarivony Mael (volamena 2) 3- Randria­narivony Miantsa 4- Rajaonary Raphaël 5- Randrianarivony Mathieu 6- Mialinjatovo Safidy

Partager sur: