Tolona torapasika- Afrika: Nahena ny isan’ny atleta noho ny olana ara-bola

Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Tolona, voatery nahena ny isan’ireo delegasiona miaro ny voninahi-pirenena any Maroc, mandritra ny fifanintsanana “Beach Wrestling Africa 2025”.

Hotanterahina any Casa Blanca Maroc, ny 3 ha­tramin’ny 7 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika «Beach Wrestling», sokajy U15, U17 ary senior. Anisan’ ireo firenena handray anjara amin’ity fifanintsanana goavana ity i Madagasikara. Araka ny nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federa­sioni­na malagasin’ny ny taranja Tolona (FML), ny sabotsy teo, tetsy Ampefiloha, misy ny olana mahakasika ny fandefasana ny atleta ka voatery nahena ny isan’ireo ankizy hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninanana ity. Raha tokony ho enina izany teny am-piandohana, voatery nahena ho telo. « Efa nandefa ny taratasy fangatahana tany amin’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) izahay, saingy noho ilay fialantsasatry ny go­vernemanta, tsy mbola voaresaka tamin’ny filankevitry ny minisitra izany », hoy Ravelo­son Mamitiana. Mangataka ny federasionina mba handrosoana ireo antontan-taratasy ireo anaty filankevitry ny minisitra rehefa tapitra ny fialantsasatry ny governemanta ny tenany. « Mba hahafahanay mpitantana ny tolona malagasy mamerina ny lany rehetra amin’ity fiatrehana ny Africa Beach Wrestling ity », hoy hatrany ny tomponandraikitra voalohany ny FML. Ankoatra izay, na dia eo aza ny olana, nanolotra vatsin-dalana sy fanampiana ho an’ireo delegasionina ny rafitra federaly. Tsara ny mampahafantatra fa ny sokajy U15, lehilahy, izay ahitana an-dRazafindra­tandra Jean René, -60kg, sy ny U17, vehivavy, izay misy an’Andria­nam­binina Tahirisoa Tinah, -45 kg, no atleta hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity andiany manaraka ity. Hanazatra azy ireo i Daniel Jean, CTR ny ligin’ Atsinanana. Raha tsy misy ny fiovana farany, hanainga ny talata ho avy izao, hamonjy an’i Maroc, ny delegasiona malagasy.

Fitia Randria

Partager sur: