Voninahi-pirenena

 

Hatramin’ny fotoana farany, niady mafy ho fiarovana ny voninahi-pirenena ny ekipa malagasy amin’ny baolina kitra, tamin’iny Chan 2024 iny. Tsy nitsanga-menatra. Vidin-kaja, vidim-boninahitra. Tsy vitan’izay, nampiombom-po sy nampiray hina ny Malagasy ny baolina kitra rehefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ireny. Ny voninahi-pirenena no iadiana sy arovana. Izay koa no anisan’ny mahamafy orina sy mampandroso io taranja iray io. Samy mahatsiaro sy miaina ho tompony ny tsirairay eo anivon’ny daholobe, tsy misy fanilihana na fanavahana. Saro-piaro ihany koa, mifampijery, mifankahery…
Mba manao ahoana kosa ny fiatrehana ny hetsika iraisam-pirenena? Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany, ohatra, ny farany teo: nandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc. Arahaba soa, arahaba tsara fa tsy nampitsanga-menatra; eny, na nisy aza ny mpanao politika niady fo mafy ny tsy hahatanteraka izany. Ny sasany aza nahavatra nitety firenena nanaratsy tena fa tsy mendrika an’i Madagasikara sy ny mpitondra, hono. Vonto sy donton’ny politika? Hany ka tsy mahajery intsony ny soa iombonana, ny voninahi-pirenena…
Sanatria, hisy Malagasy ho sahy hanao ady sisika any ivelany ve fa tsy mendrika ny ekipa malagasy amin’ny baolina kitra, ohatra, ny fiadiana ny amboara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Loza iray, loza roa… Asa, izay hahazo izany eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena malagasy? Saingy tsy mampaninona ny sasany ny fanaratsiana tena any ivelany eo amin’ny sehatra politika noho ny disadisa politika, lonilony politika, alahelo politika… Tsy mihevitra afa-tsy ny tena sy izay ho an’ny tena? Eo ny vahoaka mahita sy mitsara…

R. Nd.

Partager sur: