Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa antoky ny fahombiazan’ny tsirairay ny ezaka ataony. Porofon’izany ny Barean’i Madagasikara, izay nomena mari-boninahitra sy volabe, teny Iavoloha.
Noraisin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ireo delegasionina Barean’i Madagasikara, niatrika ny « Chan 2024 », izay avy nandrombaka medaly volafotsy. Notoloran’ny filoham-pirenena lelavola amin’ny baoritra sy mari-boninahitra avokoa izy ireo. Niravaka ny Officier de l’ordre national ry Coach Rôrô, Dax, Tony, Onja ary i Lalaina. Ny mpilalao ankoatra izay kosa, nahazo ny Chevalier de l’ordre National. Anisan’izany ry Toldo, Manda Hasina na i Bota, Berni, Rado, Rolland Garol, Tsola, Harisson Patrick na i Gone. Niampy an-dry Fenotiana, Andy, Gregas, Jean Luc, Tokiniaina, Fenohasina, Fely, Mandaniaina Johnathan, Dahery Ryan, Tsila, Randy Franco, Toky Bienvenu, Gilbert, Claude, Bono, Nicolas, ary i Mamisoa. Ankoatra izay, nomena Chevalier de l’ordre National sy merite sportif ireo ekipa tarihan’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nakarina ambaratonga ho kaporaly Rakotondraibe Tokiniaina, ary nampiana herintaona ny faharetany tamin’io ambaratonga io « 1 ans d’ancienneté ». Natao ho sous-brigadier de Police Rabemanantsoa Radoniaina. Nampidirina ho miaramila Rakotonandrasana Fanomezantsoa Rolland na i Garol. Tsara ny mampahatsiahy fa anio hariva ihany dia handeha ho any Maroc, i Rado, izay hiatrika ny fampivondronana ny Barea A.
Hametraka paikady vaovao
Nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, fa hametraka paikady vaovao mba hampahomby sy hitondrana ny amboara eto an-tanindrazana ny tenany. Anisan’izany ny fanomezana vatsy « Bourses professionnelles » ho an’ireo mpilalao mandrafitra ny Chan. Tsy izany ihany fa hanao lalao ara-pirahalahiana maro amin’ireo ekipa mafy, ao Maroc, Tunisie, Algerie, ny Barea, mialoha ny fiatrehana ny fifanintsanana. « Ho porofointsika amin’ireo firenena rehetra eto Afrika sy maneran-tany mihitsy fa tsy ny baolina kitra ihany no hain’ny Malagasy, fa mbola ho avy ny fahombiazana ho an’ny taranja hafa », hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Fitia Randria




