Justice et Paix : « Ilaina ny mangarahara ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna »

Nahitsy ny eo anivon’ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix, eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ny hafatra nampitainy, indrindra ny momba ny fiainam-pirenena

«Izao fotoana izao indrindra no ilana apetraka ny mangarahara ao anatin’ ny fanjakana tan-dalàna», hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix eo anivon’ny Fivondro­namben’ny eveka eto Mada­gasikara, ny 29 aogositra nampitaina omaly. Tonga ny fotoana hirosoana amin’ny asa mivaingana, fa ampy izay ny resabe. Nalaina tamin’ny hafatry ny papa Leon XIV momba ny Andro iraisam-pirenena ivavahana ho an’ny fiarovana ny zavaboahary, 1 sep­­tam­bra – 4 oktobra: “Tsirim-piadanana sy fanantenana”. Raha ny voninahitra no tompoina sady tsy misy fahafoi­zana ho an’ny tanindrazana, mitondra mandrakariva ho amin’ny fieboeboana tsy mi­jery ny hafa fa ny tena. Ka tsy misy fandalinana tetikasa mazava hikatsahana ny fampandrosoana, fa fikatsahana na fiarovana ny voninahitra no imasoana sy kendrena.

Hikatsaka ny marina na sarotra aza izany…

“Manentana sy mampiri­sika antsika hatrany hikatsaka ny marina sy hampanjaka azy eo anivon’ny fiarahamonina, na sarotra aza ny hahatongavana amin’izany, raha ny zava-misy ankehitriny no jerena”, hoy ny hafatra. Aoka hanana fomba fijery mahitsy hiatre­hana ny zava-misy. Te hahafantatra ny marina ny rehetra. Tsy miafina amin’ny maro fa tsy mora ny fomba fitantanana sy fitondrana ny firenena. Toa misy anefa indraindray kitoatoa sy tandrametaka ny ataon’ ny tomponandraikitra amin’ny sehatra maro eto amin’ny firenena. Miteraka fahasahiranana tsy ahitana valiny mazava ma­nampy ny olona hitraka izany. Teo, ohatra, ny “Raharaha Am­bohimalaza” nahafaty olona, manahirana koa ny fiaramanidina dimy mitondra laharana malagasy lasa any Iran, ny disadisa eo amin’ny mpanao gazety sy ny mpitantana an­drimpanjakana, ny fanakia­nana Malagasy manampahaizana…

R. Nd.

.

Partager sur: