Praiminisitra Ntsay Christian : « Tsy kisendrasendra ny fahombiazana »

Nitondra fanazavana ny momba ny fanatanjahantena sy ny lafiny kolontsaina ny prai­ministra Ntsay Christian, omaly, tamin’ny fananganan-tsaina teny Mahazoarivo. « Tsy kisen­drasendra no nahazoana fa­hombiazana tahaka izao, ka isaorana ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, amin’ ny vina ananany momba ny tanora sy ny fanatanjahantena. Eo koa ny fanohanany manokana ny Barea hatramin’ny taona 2019 ka nahazoana vo­katra miabo hatrany », hoy izy. Nanterin’ny lehiben’ny governemanta fa tanjona ny hahazoan’ny Barea ny amboara kaontinantaly amin’ny lalao baolina kitra. Vonona hano­hana izany hatrany ny governemanta, araka ny nambarany. Reharehan’i Madagasikara sady faniriana no efa nandrasan’ny vahoaka malagasy ha­trizay ny ahazoana vokatra tena tsara toy izao. « Isaorana ireo mpikarakara rehetra ma­nomboka amin’ny Federasio­nin’ny baolina kitra, ny mpanazatra, ny mpikarakara ara-teknika, ny mpilalao, ny mpanohana rehetra tsy ankanavaka ary ny vahoaka », hoy izy.
Ankoatra izany, fotoana koa omaly natokan’ireo ekipa mpanao fanatanjahantena eto anivon’ity Andrimpanjakana ity hanaovana tatitra sy hanolorana amin’ny praiminisitra ireo amboara azo nandritra ny fandraisana anjara nataon’izy ireo tamin’ny lalao 2025 nokarakarain’ny Asief tany Maha­janga. Nankasitraka izany koa ny tenany, ary nisaotra ny mpi­ara-miasa rehetra eny Maha­zoarivo tamin’ny fanohanana ireo atleta nandray anjara.
Nambarany tamin’ny lahateny nataony ny momba ny fi­verenan’ny Kabeson’ny Am­panjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roa eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao. « Zava-dehibe amintsika ny manohy hatrany ny fametrahana sy fa­melomana ny tantara eto amin’ ny firenena. Manetsika mandrakariva ny hambom-po sy ny fitiavan-tanindrazana, ary fiombonan’ny Malagasy ao anatin’ny fahasamihafana izany », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: