Fampandrosoana eny ifotony: Nofanina momba ny teknolojia ireo kaominina

Nofanin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ireo mpitantana eny ifotony, ny herinandro teo. Niompana amin’ny tontolon’ny informatika sy ny tekonolojia izany, ka anisany nisitraka izany ny kaominina Anka­zoabo, Ankeriky, Tandrano, Ambatolahy ary ny any Fo­tivolo, any amin’ny distrikan’ Ankazoabo, faritra Atsimo Andrefana. Nifanakalo traikefa sy nifampizara tamin’izany ny teknisianina sy ireo ben’ny Tanàna, ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana, ireo mpitambolan’ny kaominina ary koa ireo tomponandraikitry ny fampandrosoana eny ifotony «Agents de développement local». Niompana amin’ny fampiasana ny rindram-baiko, ireo hafatra ara-teknolojia izany, miaraka amin’ny fampiasana ny «KoboToolbox». Andiany voalohany amin’ny fampiofanana azy ireo izao natao izao.
Nambaran’ny eo anivon’ny minisitera fa natao izao hanatsarana ny asan’ireo mpitantana eny ifotony ary tafiditra koa amin’ny politikam-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Hanamora ny filan’ny vahoaka manan-draharaha eny anivon’ny kaominina koa izany.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ ny tetikasa Mionjo izany fampiofanana izany. Anisan’ny niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ny fanofanana kosa ny eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fitsinjaram-pahefana eny ifotony (INDDL) ao amin’ny minisitera. Teo koa ny avy amin’ny sekolim-pirenena momba ny informatika (Eni), Fianarantsoa.

Synèse R.

Partager sur: