Namaly ireo fanakianana tato ho ato ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Donna Mara Volamiranty, manoloana ny resabe momba ny fahalasanan-dRatsiraka Celine. Nambarany fa ny filoha Rajoelina Andry no voalohany nandefa teny fampaherezana ho an’ny fianakaviana. «Tsy afaka nanatrika ny fandevenana ihany koa izy fa tsy teto an-toerana», hoy izy.
Anisan’ny nanatrika ny lanonana fanomezam-boninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka, Toera ny ambasadaoron’ i Frantsa, Arnaud Guillois. Notanterahina teny amin’ny Fasan’ny maherifo, Avaratr’ Ambohitsaina izany. Teny koa ireo mpikambana maro ao amin’ny governemanta sy ny parlemanta, ireo manampahefana ary ny fianakavian’ny Ampanjaka Toera.
Homarihina sy hankalazaina ao amin’ny paroasy Md Joseph Vangaindrano, ny alahady 14 septambra izao, ny jobily volamena, faha-50 taonan’ny naha pretra ny mompera Pedro Opeka. Tsiahivina fa avy amin’ny fikambanan-drelijiozy Lazarista ny tenany. Anisan’ny tena ahafantarana azy ny fiahiana ireo mahantra sy ny sahirana.




