Fitiavana tsy sandaina

 

Nanamarika ny omaly ny fandresen’ny diplaomasia mahakasika ny kolontsaina sy politika malagasy. Efa nigadona an-tanindrazana, omaly, ny kabeson’ny Ampanjakaben’ny foko Sakalava: Toera. Nanome lanja manokana izany rahateo ny filohan’ny Repoblika. Taratry ny maha zava-dehibe ny fampodiana azy sy ny miaramila mpitari-tafika roa lahy niaraka taminy izany.
Mariky ny fiverenan’ny tantara tokony ho fantatry ny taranaka faramandimby izany. Indrindra ho an’ireo mbola resy lahatra fa mila fahafoizan-tena sy sorona ny aina ny fiarovana ny hambompom-pirenena. Mitaky fahasahiana goavana, tsy amin-tahotra vao tanteraka ny filamatra ho an’ny “Tanindrazana”.
Tsy tokony ho voabaikon’ny vola sy ny fitiavan-tena ny mpilaza fa miady ho an’ilay firenena. Tsy misy fampandrosoana vanona izany raha lasa lohalaharana ny tombontsoa manokana. Tsy tokony hisy toerana ho an’ny mpamadika sy mpamorika ny mpiray tanindrazana eto Madagasikara.
Mila manova paikady politika sy lamina mihitsy, araka izany, izay nampindramin’ny vahoaka fahefana. Mila miverina any an-doharano, hidio ka hamerin-kasina. Firenena mendrika ny
ho tafita anatin’ny tena fitiavana tsy an-kosoka ity firenentsika ity. Tsy vitan’ny kabary ambony vavahady sy ny lainga tsara lahatra. Teny arahin’asa sy fandavan-tena lehibe no takina.
Heverina fa hitondra rivo-baovao sy fanaovana politika hafa mihitsy ny fahatongavan’ity Kabeso ity. Hitondra anatra ho an’ny mpanao politika sy ho maodely amin’ny olom-pirenena tsirairay. Miainga avy any amin’ny isam-batan’olona sy ny fiarahamonina rahateo ny fanovana.
Tsy misy fampandrosoana vanona raha vao tsy ny vahoaka no mpandray anjara fototra. Ny fandraisana andraikitra tena izy dia avy amin’ny Malagasy resy lahatra fa tokony hiara-mirona sy hiara-misikiponitra na inona inona takalony, na ohatrinona na ohatrinona sandany.

r.r

Partager sur: