Maka bahana! Hotanterahina any Mahajanga, ny volana novambra izao, ny Komity foibe faha-47 sy ny Zaikabe fahafolo eo anivon’ny FFKM. Anisan’ny hiompanan’izany ny fiainana anatin’ny fiangonana. Eo koa anefa ny fiainam-pirenena.
Efa nandefa ny toromarika isaky ny faritany FFKM ho amin’ny fanomanana izany ny eo anivon’ny birao foibe. Anisan’izany ny tatitra, miainga hatreny ifotony ka hitaterana ny fifandraisan’ny fiangonana amin’ny fanjakana. Ny olana nosedraina sy ny vahaolana namahana izany. Eo koa ny vina amin’ny hoavy.
Etsy andaniny, andrasana ny tolo-dalàna hanovana na hanitsiana sy hanatsarana
ny foto-dalàna ka hodinihina amin’io zaikabe io.
Tsiahivina fa anisan’ny nivoitra tamin’ny hafatry ny FFKM tany Morondava, ny volana desambra 2024, tamin’ny Ko¬mity foibe faha-46, ny antso avo amin’ny tokony hiainan’ny rehetra ny fahamarinana. “Ny fa¬hamarinana no manandratra ny firenena”, hoy izy ireo. Eo koa ny fampahatsiahivana fa zo fototra voalazan’ny Lalàmpanore¬nana ny fahalalahan’ny tsirairay maneho hevitra anatin’ny fanajana ny lalàna. “Hamafi¬sinay ny tokony hanajana izany”, hoy ny FFKM. Naneho ny fahavononany hatrany hi¬fampidinika sy hifanolo-tanana amin’ny mpitondra sy ny hery velona, ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiarahamonina, ny FFKM, araka ny hafatra. Nampirisika ny rehetra koa izy ireo hijoro ho vavolombelon’ny fifankatiavana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra. “Aoka ha¬tsa¬hatra ny fifampihantsiana sa¬mihafa. Aoka tsy hamono eritreritra amin’ny zavatra mi¬tran¬ga sy miseho fa samy hijoro hanatanteraka izay andraikiny avy”, hoy izy ireo.
Synèse R.




