Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle: “Tsikeraina tsy araka ny tokony ho izy ny zava-mitranga rehetra”

“Anisan’ny mampalahelo ny fitsikerana tsy araka ny to­kony ho izy ny zava-mitranga rehetra eto amin’ny firenena. Fantatra fa izay no asan’ny mpanohitra”. Io ny nambaran’ ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly, ny amin’ ny resabe atao sy voizin’ny sasany hoe tsy tonga tamin’ny fodiamandry ny vadin’ny filoha teo aloha, Ratsiraka Céline, ny vadin’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Mialy. Na eo aza izay fitsikeran’ny mpanohitra izay, tokony hipetraka hatrany ny hoe soatoavina. Anisan’ny mampalahelo ny Malagasy ny fahalasanan-dRtoa Ratsiraka Céline, renin’ ny Malagasy nandritra ny taona maro: nikarakara ny vahoaka malagasy. Nametraka mamy ihany koa ho an’i Madagas­ikara sy ny Malagasy.
Nohazavainy fa vao nandre ny vaovao fahalasanan-dRtoa Ratsiraka Céline ny fianakaviana Rajoelina, indrindra Rtoa vadiny: nandray ny fanapahan-kevitra rehetra ary nifandray tamin’ny fianakaviana. Fan­tatra fa anisan’ny nampidirina ary nomena fahatokisana tao anatin’ny governemanta teo aloha ny solombavambahoaka amin’izao, Ratsiraka Sophie. Anisan’ny niara-nitantana tao anatin’izany governemanta izany izy. Amin’izao fotoana izao, mbola anisan’ny miara-ma­nasoa ny vahoaka malagasy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny maha solombavambahoaka azy. Tsy nanatrika ny famangiana sy fitsapana alahelo teto an-toerana tamin’ ny fodiamandrin-dRtoa Ratsi­raka Céline ny vadin’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Mialy, fa tsy teto an-toerana.

R. Nd.

Partager sur: