Nisokatra ofisialy ny alarobia lasa teo, teny amin’ny “Cité des cultures” Antaninarenina, ny andiany faha-4 amin’ny “Festival Alefa Parkour”. Famelabelaran-kevitra fampahafantarana ny hetsika no nanombohana izany. Hampiavaka ity andiany faha-4 ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara avy amin’ny Traceur Gasy, Faliniaina Antonio, ny fanomezan-danja kokoa ny vehivavy. Izany indrindra ny lohahevitra noresahina tamin’io alarobia io, dia ny “Femme dans le sport urbain et espace public”.
Hitohy amin’ny « Traceur Gasy JM » izay hatao eny amin’ ny Tana Water Front Ambodivona, anio, ny fandaharam-potoana, ahitana Parkour, Cirque, Danse urbaine ary Foot freestyle. Ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara kosa no ivon’ny hetsika izay hatao eny amin’ny zaridainan’ ny farihin’Anosy, ny 6 sy 7 septambra. Manodidina ny 50 eo ny isan’ny mpandray anjara ka manana solontena 2 avy ny avy any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’i Faliniaina Antonio. Na dia mbola vitsy aza, hoy izy, ny vehivavy mandray anjara dia mbola manohy ny fanentanana hatrany izy ireo. Ho vahiny amin’ity fifaninanana ity, i Charles Perrière, mpanorina ny taranja Parkour maneran-tany. Hisy ihany koa ny fifaninanana dihy hiarahana miasa amin’ny BBM-Boy Bgirl Malagasy amin’io foto-ana io. Miara-misalahy amin’ ny mpikarakara ireo mpanohana toy ny Federasionina malagasin’ny Gymnastique, CUA, Masoivoho Frantsay, ny IFM sy ny maro hafa.
Mi.Raz




