Tontosa omaly, ny fivoriana ara-teknika ho an’ny dingana faharoa sy farany amin’ny fifaninanana N1A lahy sy vavy. Anio kosa no hanomboka ny lalao izay hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Raha ny fandaharan-dalao, ny fihaonana eo amin’ny NGB Itasy sy ny COSPN Analamanga no hisantarana ny fifaninanana ho an’ny sokajy lehilahy. Ny ekipan’ny GNBC Analamanga sy ny Varsity Anôsy kosa no hifanandrina voalohany, eo amin’ny sokajy vehivavy. Lalao 9 avy hatrany no hotanterahina ho amin’ny anio. Tsiahivina, ny ekipan’ny GNBC Analamanga sy ny Ascut Atsinanana no lohalaharana tamin’ny dingana voalohan’ny fifaninanana, ho an’ny sokajy lehilahy. Ny JEA Vakinankaratra sy ny GNBC Analamanga kosa no mitana ny laharana voalohany, eo amin’ny sokajy vehivavy. Haharitra hatramin’ny 14 septambra izao ity fiadiana ny tompondaka N1A lahy sy vavy ity, izay ahitana ekipa 8, lehilahy sy 8, vehivavy.
Mi.Raz




