Mitaky ny marina manoloana ireo fahafatesan’olona tato ho ato ny depiote Ratsiraka Roland. Anisan’izany ireo mpanakanto roa maty sy ny iray mbola tsaboina hatramin’izao. 26 ireo narary tany Antsiranana noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Nohitsiny fa tena heloka bevava ny lainga momba ny fahasalamam-bahoaka. Mitovy amin’ireo teny Ambohimalaza sy tany an-kafa ny soritraretina raha ny voalazan’ny mpitsabo, araka ny nambarany. « Mbola tsy nanambara anefa ny fitondrana hatramin’izao fa misy Botulisme eto nefa tokony hahazo Sérum maimaimpoana avy amin’ny OMS isika satria lafobe izany raha vidiana. Manan-jo hahafantatra ny tena marina isika, indrindra raha momba ny fahasalamam-bahoaka », hoy izy. Nanteriny fa mendrika mpitondra madio fo sy tsy mivadika ary mahatoky sy marina ny vahoaka.
Synèse R.




