Hidina ifotony any amin’ny faritra Menabe ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy ho avy izao. Anisan’ny anton-diany any amin’iny faritra iny ny hanolotra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera amin’ireo taranany sy ny kabeson’ireo miaramila roa hafa mpitari-tafika. Hisy ny lanonana ara-kolontsaina sy ny fombafomba hatao ho mariky ny fandraisana izany, arahan’ireo lahateny ifandimbiasana.
Ankoatra izany, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filoha Rajoelina Andry any Menabe ihany koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa maromaro naorina ho amin’ny fampandrosoana an’iny faritra iny. Anisan’izany ny Lapan’ny Tanànan’i Belo Tsiribihina, ny fahavitan’ny fonjaben’i Tsiribihina, ny toby na toerana ho an’ny mpitandro filaminana « Zone de défense et de sécurité » ao amin’ny renivohitry ny faritra, ao Morondava. Hotokanana koa ny EPP manara-penitra ao Andakabe sy ny kianja manara-penitra any an-toerana.
Hiara-dalana amin’izany ary efa fanaon’ny filoham-pirenena rehefa midina ifotony tahaka izao ny fanatanterahana ny hetsika ara-tsosialy ho fanohanana ireo tokantrano marefo. Manampy ireo ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny vahoakan’ny faritra Menabe manontolo.
Synèse R.




