Mitohy ny fampiofanana makahasika ny fitadiavana loharanom-bola ho an’ny ben’ny Tanàna. Miandraikitra ny fifampizarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany.
Anisan’ny ezahan’ny minisitera amin’izany ny fanampiana ny mpitantana eny ifotony ka anisan’ny nisitraka fampiofanana ny ben’ny Tanàna, ho an’ny faritra Analamanga, omaly. Niarahana amin’ny eo anivon’ny Pnud sy ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) izany. Tafiditra amin’ny fandaharanasa Rindra, andiany faharoa, tohanan’ireo mpamatsy vola. Nohamafisina amin’izao fampiofanana izao ny fitantanana ny tetibola, ny fanetsehana sy ny fikarohana ny loharanom-bola eny ifotony ary koa ny haitarika eo amin’ny fampidiran-ketra. Nambaran’ny eo anivon’ny INDDL, amin’ny alalan’ny taleny, Rakotojohary Tovohery Andriamihaja, fa tanjona amin’izao fampiofanana izao ny hanatsarana ny fahaiza-mitanana eny anivon’ny kaominina. « Ezahina koa ny hirosoana tsikelikely ho amin’ny fizakan-tenan’ny eny ifotony ho amin’ny fampandrosoana iarahana sy tsy manilika eo amin’izy samy ao anivon’ny kaominina », hoy izy.
Ho tsara kalitao
Etsy andaniny, nitohy tany Maevatanàna ny hetsika fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eny ifotony momba ny sora-piankohonana. Anisan’ny niofana tamin’izany ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpiandraikitra ny sora-piankohonana eo anivon’ireo kaominina any an-toerana. Nambaran’ireo nandray anjara tamin’izany fa tsy misy ny sekolin’ny ben’ny Tanàna ka nahafantarana ny asa sy ny tokony hatao momba ny sora-piankohonana izao fiofanana izao. « Hihatsara izany ary ho maro sy havitrika ireo manan-draharaha ho avy ety amin’ny kaominina manomboka izao. Ho tsara kokoa ny kalitaon’ny asa », hoy ny solontenan’izy ireo, ny ben’ny Tanànan’i Tsaratanàna. Nankasitraka ny eo anivon’ny MFFT sy ny INDDL ary ny masoihovohon’i Frantsa miaraka amin’ny AFD izy ireo amin’izao nisitrahana ny fampiofanana izao.
Synèse R.




