Miseholany, tsy misy fiafarany ny lozam-pifamoivoizana etsy sy eroa. Tampoka sy tsy mampilaza fa indray mipi-maso dia any anaty hantsana. Ny maratra maratra, ny miady aina miady aina, ny maty moa dia any Ambondrombe avy hatrany. Tsy misy fampilazana, na antony bitika aza dia mampiditrandro. Mila fitandremana sy fiambenana andro aman’alina.
Marina fa tsy misy maty raha tsy ny tapitra andro, kanefa tsy tokony hatao kinanga ny ain’olombelona. Manan-kasina manokana izany ary mila tandrovana andro aman’alina. Manana adidy goavana, araka izany, ny mpamily sy ny tompon’ny fiara ampiasain’ny sarambabem-bahoaka. Tsy tokony hapetraka amin’ny fialokalofana amin’ny laha-janahary, na ny fahalafosan’ny vidim-piainana izany.
Matetika manko, mandeha sy mihodina amin’ny tandrametaka ireny fitaovam-pitaterana ho an’ny daholobe ireny. Mikafiry kojakoja mora vidy saingy tsy mateza ny tompom-piara. Misafidy ny mpamily mora karama, tsy ampy traikefa. Matin’ny sitrany ahay! Fandaniana faran’izay kely mba hahazoana tombony mihoapampana. Baikoin’ny fitiavan-tena sy hampibontsina ny paosiny ry “trema vavy” sy ” ngahy deba”
Sintomina indray ny lakolosy, araka izany. Entanina ianareo mpandraharaha amin’ny fitaterana mba hijery hatrany ny kalitaon’ny tolotra omenareo. Mba fiara mendrika no aoka handoavan’ny mpanjifa io saran-dalana efa manahirana io. Aoka mba ho mpamily sy mpanampy matihanina no ampiasaina.
Ny raha tsy manjarizary rahateo mainka mitarika zava-dratsy. Tsy mahagaga raha misy ny loza noho ny fanaovana tsinontsinona ny fananana manokana, natao hitadiavam-bola. Ny mampalahelo, ny tsy manan-tsiny, mivoaka hikarama hamelomam-bady aman-janaka, no miverina an-trano amin’ny vatana mangatsiaka.
Entanina ihany koa ny tomponandraikitry ny fanaraha-maso ireo fiara fitateram-bahoaka tsy hanao antsirambina ny asany.
r.r




