Aiza ho aiza ny tontolo sy ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM) sady filoha nasionalin’ny Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoarijaona Jerry: “Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao. Lasa mandalo fotoan-tsarotra ny fanaovana politika; eny, na ny mpanao politika aza”. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao fotoana izao?
Rakotoarijaona Jerry (-): Ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao: toy ny mamerivery saim-bahoaka fotsiny ny ataon’ny mpanao politika sasantsasany. Ohatra amin’izany ny eo anivon’ny fanoherana. Misy, ohatra, izao miresaka fangatahana fiaraha-mitantana. Tsy azo eritreretina izany, satria lalana roa ihany no ahazoana fahefam-panjakana eo amin’ny firenena iray. Na mandrombaka izany amin’ny fomba tsy ara-dalàna amin’ny hetsi-bahoaka na manao fanonganam-panjakana ara-miaramila toy ireny mitranga any Afrika ireny, na mandeha amin’ny fifidianana ara-pomba demokratika. Araka ny lalàna sy ny sata repoblikanina izany: mandeha amin’ny safidim-bahoaka.
* Amin’ny tany sy fanjakana demokratika, aiza ho aiza ny anjara toeran’ny mpanohitra? Na izay tokony hataony…
- Maneho ny heviny amin’izay tokony hatao… Tsy amin’ny filam-baniny no anehoana sy anaovana an’izay. Raha manao ny lafiny sosialim-bahoaka, ohatra, ny fitondram-panjakana, lazaina fa tsy amin’ny sehatry ny fahasalamana na fampianarana fotsiny no atao… Toy ireny nitranga tany Etazonia ireny. Nanao momba ny fampianarana sy ny fahasalamana, ohatra, ny demokraty, notoherin’ny repoblikanina fotsiny hoe: toy izao ny nanaovana izay tamin’ny fotoan’androny. Votsotra teo an-tanan’ny demokraty ny fitondrana tamin’izany ary lasan’ny repoblikanina. Toy izany no tokony hatao amin’ny fanoherana, fa tsy fameriverezana saim-bahoaka sy dontandroka fotsiny. Indraindray, lasa fanakorontanana aza… Satrin’ny mpanohitra aza, tsy misy zavatra mandeha sy tsy misy na inona na inona vita eto amin’ny firenena. Nandeha, ohatra, ny lalao baolina kitran’ny ekipam-pirenena Barea teo, betsaka tamin’ny mpanohitra no niandrandra faharesena fa tsy fandresena. Fihatsarambelatsihy fotsiny ny filazana hoe mampiray ny Malagasy… Aleon-dry zareo aza resy. Toy izany koa ny amin’ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika, satrin-dry zareo eo anivon’ny fanoherana tsy handeha sy tsy ho vita ny fitaterana an-tariby, ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina… Ny tena maharatsy ny fanoherana eto Madagasikara dia lasa manohitra olona, fa tsy manohitra foto-kevitra. Hany lasa fanoherana bontolo…
* Ny amin’izay hoe foto-kevitra izay, nahoana no tsy manana foto-kevitra na ideolojia politika loatra intsony ny ankamaroan’ny antoko politika amin’izao?
- Izay indrindra no mahatonga azy manohitra olona… Tsy manohitra fahefana izany, na foto-kevitra, ny fandaharanasa… Olona iray, ohatra, no tsy tiana dia toherina, itadiavana hevitra rehetra anoherana azy. Nefa ny tokony ho izy: ny amin’ny fandaharanasam-panjakana, ohatra, no lazaina sy tsikeraina fa tsy mety. Fa tsy olona no toherina ka izay rehetra ataony dia tsipahina sy kianina.
Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao. Na miroborobo aza, ohatra, ny teknolojia izay tokony hanampy amin’ny fanaovana politika: lasa mandalo fotoan-tsarotra ny fanaovana politika; eny, na ny mpanao politika aza. Satria tsy misy mpanao politika na mpanohitra to teny intsony eto amin’izao. Tamin’ny fitondran’ny filoha Ratsiraka, tamin’ny Repoblika II, ohatra, nisy ny mpanohitra nalaza toa an-dry Andriamanjato Richard, Rakotonirina Manandafy… Tsy misy toy izany intsony ny mpanohitra ankehitriny. Foto-kevitra sy fomba fitantanana na fandaharanasa no toherina fa tsy olona. Misy ny mpanao politika, tsy fantatry ny olona akory, na amin’ny distrika misy azy aza. Anton’izany ny fomba fitondran-tena sy ny fomba fiainan’ny mpanao politika any anaty fiarahamonina no lasa misy fiovana.
* Inona no mahatonga ny mahaleo tena na ny tsy miankina lasa mihamahazo vahana amin’ny fifidianana?
- Aleon’ny olona maka izay tsy miteny na tsy momba ny atsy na ny aroa… Indraindray, mety ho sarintsariny fotsiny koa izay rehefa halalinina. Raha ny fifidianana solombavambahoaka, ohatra: misy tsy lasa kandidà ny amin’ny sehatry ny mpanohitra, lasa nanao tsy miankina; rehefa avy eo, manaraka ny mpanohitra ihany. Misy koa ny tsy lasa kandidà any amin’ny fanohanana, manao mahaleo tena; rehefa tonga eo amin’ny fitondrana, manohana ihany.
* Inona ny hanarenana izany rehetra izany amin’ny fanaovana politika?
– Ny fahaizan’ny mpanao politika miverina ao anaty fiarahamonina… Rehefa miara-miaina amin’ny fiarahamonina ny mpanao politika, mahalala ny tena maharary sy manahirana ny vahoaka. Amin’izay, miverina amin’ny mpanao politika ny fo sy ny fahatokisan’ny vahoaka. Ialan’ny mpanao politika ny fivadibadihana palitao. Amin’izao, tsy manabe vahoaka intsony ny mpanao politika, fa fanonganam-panjakana ny hoe fanoherana eto Madagasikara. Rehefa hoe manohitra fitondrana, tarihin’ny mpanao politika amin’ny fanonganana hatrany…
* Inona no hamehezana an’izay rehetra izay?
- Miantso ny rehetra hanao politika ho amin’ny tombontsoa iombonana takin’ny vanim-potoana ankehitriny amin’izay… Misy fanantenana ny tontolo politika sy ny fanaovana politika, raha ny tanora mpanao politika amin’izao tsy manara-drenirano ireo zoky taorian’ny 1991 no ho mankaty. Manaraka politika vaovao ho amin’ny tombontsoa iombonana sy takin’ny vanim-potoana ankehitriny izany. Tsy ilaina, ohatra, ny hoe fihaonambem-pirenena na fampihavanam-pirenena, na misy mitaky sy mangataka aza. Ny ekipam-pirenena Barea ireny nahavita nampihavana sy nampiray ny Malagasy. Fizarana toerana no tadiavin’ny mpanao politika amin’ny hoe fihaonambem-pirenena.
Nangonin’i R. Nd.




