Tokony hivoaka alohan’ny 11 septambra ny fanaikana mpifidy, araka ny voalazan’ny lalàna, taorian’ny naneken’ny HCC fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny tetiandro amin’ny fifidianana loholona natolotry ny Ceni. Andrasana izany ny ho fanapahan’ny governemanta sy ny hamoahany ny didy, 90 andro mialoha ny hanaovana ny fifidianana.
Tsy mbola nesorina tamin’ny toerany ny tale jeneralin’ny ACM, raha ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Anisan’ireo 22 ahina ho voasaringotra amin’ny ”Raharaha Boeing 777” ny tenany ary notanana vonjimaika am-ponja. Tahaka izany koa, tsy mbola voatendry ny hisolo ny toeran’ny minisitry ny Fitaterana, Ramonjavelo Valery.
Hotokanana tsy ho ela ireo trano mora miisa 320 eny Imerintsiatosika. Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny hampiasana ny tetibola ka hamaranana ny fanorenana ireo fotodrafitrasa ireo. Anisan’ny amboarina amin’izany ny pitsompitsony ivelan’ny trano sy ny lalana.
Nanamafy ny hafatry ny Eveka eo anivon’ny Justice et Paix, ny filoha teo aloha, Ravalomanana, araka ny fanambarany, omaly. Nambarany fa marina loatra ny hafatry ny eveka. «Iaraha-mahita, ary asongadin’ny hafatra am-pahasahiana ny fangirifirian’ny vahoaka sy ny mahamaika ny fiaraha-mientana hanarenana ny firenena iombonana», hoy izy.




