Nanatanteraka iraka tany Malawi ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fifanakalozana traikefa sy fampiharana ny fanavaozana ny sehatry ny fananantany ny atrikasa natao. Nambaran’ ireto iraka ireto fa tanjon’ny fihaonana ny fanatsarana ny fitantanana fananantany mba ho maoderina kokoa. «Mandray anjara, ary manaja ny lova nentin-drazana, ahitana vokany mivantana indrindra eo amin’ny fiahiana ny fananantany any amin’ireo faritra iasana any atsimon’ny Nosy», hoy izy ireo.
Nisongadina tamin’ny fifampizarana ny fifanakalozana ara-teknika sy stratejika ary nanokatra lalana vaovao ho amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena samy atsimo.
Ny fanamafisana ny fahalalana momba ny satan’ny fananantany mifandray amin’ny tany lovain-jafy. Eo koa ny fanafainganana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fomba fiasa ary amin’ireo dingana momba ny fananantany. Manampy ireo ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny fananantany eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny vinavinan’ity tetikasa ity ihany koa ny fananganana tohodrano ho valin’ny filana famatsiana rano fisotro madio, sy ny fampiasana rano amin’ny fambolena ary fampidirana herinaratra, indrindra any amin’ny faritra Androy sy ny any Anosy.
Niatrika izany ireo solontenan’ny tale sy manam-pahaizana avy amin’ny MFFT. Niarahana tamin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny tetikasa PRRC, tantanan’ny CPGU. Teo koa ireo manampahaizana manokana momba ny fananantany avy amin’ny Banky iraisam-pirenena avy eto Madagasikara.
Synèse R.




