Madagascar 2-0 Centrafrique : Misy ny fanantenana hanao”Mondial 2026″ !

Resin’ny Barean’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 0 ry zareo Centrafikanina, halina. Mbola manana herijika hiakarana ”Mondial 2026” isika. Manana isa 13 ny Malagasy.

Fandresena indray! La­von’ny Barean’i Mada­ga­­sikara, tamin’ny isa 2 no ho 0, i Centrafrique, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Larbi Zaouli Casablanca, Maroc. Fi­fanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahafito, fifanin­tsanana Mondial 2026. Ma­na­na isa 13 izany ny Malaga­sy ao amin’ny vondrona “I”, taorian’ity fandresena miezinezina azon’ny ekipa nasionaly malagasy ity.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nanindry tanteraka tamin’ny fitazomana baolina ny Malagasy mpilalao. Maro ireo baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy, i El Hadary sy i Rayan Raveloson. Teo amin’ny minitra faha-45 vao nahakobana ny harato i Warren Caddy, lohalaharana Barea, rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’i El Hadary. Io isa 1 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Ni­tarika ny Barea.
Nandritra ny fidirana faharoa, nitohy ihany ny fampisehoana nataon’ny Barea. Nam­pian’i Arnaud indray ny isa teny amin’ny solaitrabe, ny mi­nitra faha-59, rehefa nomen’i El Hadary tolotra tsara indray. Nitsahatra tamin’io isa 2 no ho 0 io ny fihaonana, nandresy ny Barean’i Madagasikara.

Haka ny isa telo fanampiny
Hiezaka ny hanohy ny vo­katra tsara efa azo amin’i Tchad, i Madagasikara, ny alatsinainy 8 septambra ho avy izao. Fifandonana izay ao anatin’ny andro fahavalo, fiadina ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena 2026 ihany koa izy ity. Tsia­hivina fa efa resin’i Ma­da­gasikara, 3 no ho 0, i Tchad. Ny Tchadianina, na­nao ady sa­hala, 1 no ho 1, ta­min’ny Black Star Ghana, omaly.

Fitia Randria

Partager sur: