Notanterahina omaly, ny dingana fahafito farany, mialoha ny Final four, amin’ny Masters, taranja tsipy kanetibe. Nampiantrano izany ny Levallois-Peret France. Nihintsana teo amin’ ny dingana ampahefa-dalana ny Malagasy, nahitana an’i Zigle sy i Tianakely ary i Yves. Resin’Italie, tamin’ny isa 13 no ho 9. Tsy mbola afa-bela tamin’Italie indray ny Malagasy tamin’ity. Raha tsiahivina, in’efatra ny nihaonan’ny roa tonta, nanomboka tany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 ka hatreto amin’ity Masters 2025 ity.
Raha hiverenana ny lalao natao omaly, nitarika tamin’ny isa 3 no ho 0 i Italie, avy eo nihoaran-dry Yves, 4 no ho 3. Tsy nijanona teo fa nitarika hatrany amin’ny 9 no ho 3 ny Malagasy. Nitsatoka teo anefa ry Zigle fa tsy nihetsika intsony. Tetsy ankilany, nahazo isa 5, avy eo nahazo isa 4 indray maka ny italianina, ka lasa 12 no ho 9 ny isa. Taorian’io, niezaka nanohitra ny Malagasy saingy nanatombo teo amin’ny isan’ny kanety ny italianina ka voatery nitifitra ny bosoa i Zigle sy i Yves saingy tsy nivoaka ny kianja izany. Rehefa tsy nahomby izany, tsy maintsy nampiditra isa i Tiana kely. Notifiriin’i Cocciolo izany ka nibatany ny fandresena. Fahadisoana taktika ny nahavoa ny ekipa malagasy. Na resy aza nefa ry Zigle, efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny Final four.
Tompondaka




