Fametrahana fanjakana tsara tantana : Kivy amin’ny kolikoly ny minisitry ny Fitsarana

Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fidinana ifotony na­taon’ny filoha Rajoelina Andry tany Belo Tsiribihina, ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­man­dimby Benjamin Alexis. Napetraka tamin’izany koa
ny filohan’ny fitsarana sy ny « Procureur de la République » any an-toerana. Notsiahivin’ny minisitra fa anisan’ny baiko tokana azony tamin’ny filoham-pirenena ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahitsiana. « Sori-dalana ampiharina izany ka nahomby sa tsia hatreto? Izaho aloha tena kivikivy fa mampahery tena… Tokony hijoro isika mba tena hiasa anaty fahitsiana sy fahadio­vana », hoy izy. Nohitsiny fa tsy tokony handray vola hafa ankoatra ny karama ny mpi­tsara sy ny mpiasan’ny fitsa­rana. Nanteriny fa mampihatra ny tany tan-dalàna ny fitsarana ka nampirisihiny ny olona handefa fitarainana ary hanondro mivantana ireo nanao kolikoly. Na mpitsara na mpirakidraharaha sy mpanera hatolotra ny Bianco sy ny Pac. « Ho avy ny mpampiasa vola rehefa madio ny fitsarana ka hananantsika firenena mandroso sy matanjaka ary azo itokisana », hoy izy.
Nambarany koa anefa fa mila mifehy kibo aloha izao ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ka tsy nangataka fiara 4×4 ho an’ireo mpitsara hiasa ao Belo Tsiribihina ny tenany. Efa mety kosa anefa rehefa mahazo moto. Notsia­hiviny fa efa any ny sata mifehy ny mpitsara@ nefa tsy maha maika izany. « Mila fitsarana madio sy mangarahara aloha isika fa mandeha miandalana eo ny momba ny sata », hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nanteriny fa madio ny fifaninanana hidirana ho mpiasan’ny mpandraharaha fonja sy ny mpirakidrahara…

Synèse R.

Partager sur: