Fifanintsanan’ny “Mondial 2026” : Mitana ny laharana faharoa i Madagasikara

Taorian’iny andro fahafito, ady tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, iny, mipetraka eo amin’ny laharana faharoa, anatin’ny vondrona « I », i Madagasikara. Manana isa 13 isika ary mbola eo aloha i Ghana, izay mihazona ny isa 16. Nahatsara ny toeran’ny Malagasy ny fandresena 2 no ho 0, azony nanoloana ny Cen­trafrique, sy ny fahare­sen’i Comores, 3 no ho 0, teo anatrehan-dry zareo malia­nina. Lasa aorian’ny Malagasy i Mali, isa 12.
Tsiahivina fa raha mahita fandresena amin’ireo lalao am­biny sisa tavela, ka resy in­dray mandeha i Ghana izay vao azo antoka fa i Madagasi­kara no solontenan’ny von­drona « I » misy azy. Marihina fa izay la­harana voalohany isam-bondrona ihany no ma­hazo tapakila mivantana miatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena, taranja baolina kitra.
Mbola mandalo lalao sa­kana kosa ny firenena faharoa tsara indrindra. Ampahafan­tarina fa i Tchad, Mali ary i Comores sisa no hifanandrina amin’i Madagasikara amin’ity fifanintsanana ity. Ny alatsinainy ho avy izao no hifan­dona amin’i Tchad ny Barea, ary antenaina fa hitondra fandresena ho an’ny Malagasy izy ireo amin’io fotoana io.

Fitia Randria

Partager sur: