Tany Belo ambonin’i Tsiribihina ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nitokana ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy fonja izy tamin’izany. Tsy azo fafana ny zava-bita, na inona na inona tsikera mahazo, araka ny nambarany tamin’ny lahateny nataony.
«Na inona na inona tsikera mahazo antsika, tsy azo fafana ny zava-bita. Tena miasa isika ary manao zavatra ho an’ny vahoaka malagasy iray manontolo”. Io ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tany Belo ambon’i Tsiribihina, faritra Menabe, omaly, tamin’ny fitokanana ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fonjabe mahazaka olona 900 mahery. Nanotrona azy ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny mpikambana vitsivitsy avy amin’ny governemanta. Anisan’ny nanamarika azy manokana, hatrany amin’ny faritra lavitra misy fotodrafitrasa na sekoly na lalana: rehefa anontaniana hoe oviana no natao? Dia tamin’ny andron’ ny filoha Tsiranana… Amin’ izao fotodrafitrasa tokanana izao, na afaka 10 na 20 na 50 taona, hotsaroan’ny olon-drehetra hoe tamin’ny andron’ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christiana ary ny minisitra mpikamban’ny governemanta… Betsaka ny zava-bita. Azo tsapain-tanana sy hita maso izany.
“Nametraka laharam-pahamehana isika ao anatin’ ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), izay mijoro amin’ ny fototra telo”, hoy izy. Anisan’izany ny fanjakana tan-dalàna sy ny fitondrana tsara tantana. Tsy afa-kametraka fanjakana tan-dalàna, raha tsy mifanaraka amin’izay ny fotodrafitrasa misy. Izay no anaovana lapan’ny fitsarana sy fonja. Tamin’ny 1896 no nanorenana ny fonjan’Antanimora. Ny fitondrana nifandimby, ny filoha Ratsiraka Didier ihany no nanorina ny fonjaben’i Tsiafahy, taona 1982. Ankehitriny, manerana an’i Madagasikara ny fanorenana fonja: Fianarantsoa, Fanoarivo Atsinanana, Toamasina… Hahazo fiara manokana manara-penitra fitaterana voafonja ny fonjabe manerana an’i Madagasikara, fa tsy ny ao Belo ambonin’i Tsiribihina ihany. Efa vita ny fanafarana izany.
R. Nd.




