Judo-Afrika Vétérans : Medaly 8 azon’ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja judo, sokajy Vétérans. Fifanin­tsanana afrikanina notanterahina tany Maorisy, ny alakamisy lasa teo izy ity. Malagasy mpikatroka dimy no nahazo medaly volamena ary voahosotra ho tompondakan’i Afrika.
Anisan’izany Andriambelo Noelson, teo amin’ny sokajy Men M3 -66kg, Ralijaona Floriano, (Men M4 – 60kg), Ramahe­farison Patrice (Men M6 -81kg), Rasolondraibe Mamy Don­goza (Men M7 -66kg) ary Naina Vestalys (Men M6 – 60kg). Ankoatra izay, nandrombaka ny medaly volafotsy ihany koa Ramahefarison Julie (Women M4 -70kg), Rabarison Giovanni (Men M3 -66kg) ary Randriamifidy Odon (Men M4 -90kg).
Tsara ny vokatra ho an’ny delegasionina malagasy. Tsara ny manamarika fa nianto-tena tanteraka izy ireo tamin’ny fiatrehana ity lalao afrikanina ity.

Mi.Raz

Partager sur: