Rugby – “Top 8 Mada” : Hangotraka ny famaranana eo amin’ny Cosfa sy ny FTM

Hitana ny sain’ny besinimaro amin’ity faran’ny herinandro ity ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby “Top 8 Mada”. Hiady izany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Ekipa tsy resy mihitsy hatreto amin’ity dingana ity. Tsontsori-mamba isarahana izany ny an’ny roa tonta.

Hotanterahina etsy amin’ ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, rahampi­tso, ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby “Top 8 Mada”. Fihaonan’ny ekipa goavana indrindra eto Madagasikara no hitranga. Hidona ny Cosfa (Bebaoty) sy ny FTM Manja­karay (Dakar). Fileovana samy manana ny maha izy azy ny roa tonta ary lalaon’ny mpanazatra no hitranga ka hibata ny fandresena izay manana ny paikady mafonja. Ekipa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany satria efa im-betsaka no nifanehitra amin’ ny dingana toy izao.
Raha tsiahivina, nahazo ity anaram-boninahitra ity fa­rany ny Cosfa. Hifandona izany eto ny ekipa tompondaka sy ny tompon’ny amboara. Han­gotraka tokoa ny fihaonan’ny roa tonta amin’ity. Samy ma­nana ny fahaiza-manaony man­tsy izy ireo ary samy ahitana mpilalao tanora sy ma­tanjaka. Eto no ahitana ihany koa ny tena firafitry ny ekipa, hahalalana marina izay mpilalao vaovao sy izay nandao ny klioba.
Heverin’ny rehetra fa mety ho tonga hatrany amin’ny fa­nalavam-potoana ny fihao­nana amin’ity. Hifampitana amin-dry Ginot sy Maxime ampian-dry Gervais sy Gougou ho an’ny Bebaoty izany ry Babaina sy ry Lahatra.
Hiady ny laharana fahatelo indray ny Tam Anosibe sy ny TFA Anatihazo. Adin’ny samy kartie ity ary hanala vela amin’ ny Anatihazo ry zareo Anosibe.
Hatao amin’ity ihany koa ny famaranana eo amin’ny vehivavy. Hifanandrina amin’ izany ny SCB Besarety, tari­hin’i Jinah kely sy ny RCTS Soavimasoandro, misy an’i Sophie. Lalao tena andrasan’ ny rehetra noho ny fisian’ireo mpilalao andrin’ny Makis Ladies. Hiady ny medaly alimo kosa ny FTFA Antohomadi­nika sy ny FTM.

Tompondaka

Partager sur: