Baolina kitra: Coach Rôrô, ilay nahatonga olona maro ho milionera

Tsy honohono ity ry zareo, masontsika ny nahita fa tao anatin’ny iray volana, fianakaviana maro no afa-pahasahiranana ary olona am-polony mahery, tonga mpanapitrisa tampoka ka lasa «milionera». Tsy tamin’ny alalan’ny Tic Tac Dou, na «rallye des miracles» fa tamin’ny baolina kitra. Rakotondrabe Romuald Félix (coach Rôrô), nahavita izany tamin’ny fomba tsotra nefa mahomby.

Niainga tamin’ny tsy nisy, niafara ho «milionera» ny coach Rôrô sy ny mpilalaon’ny Barean’i Mada­gasikara. Nanomboka tany Algerie, ny tantara ny taona 2023 raha handray anjara amin’ny Chan ny baolina kitra malagasy. Tsy nisy nino ny lalana nodiaviny ny rehetra fa noheverina ho toy ny fandraisana anjara ihany izany. Nandeha tamin’ny finoana sy am-pahatokisana ny tenany. Niasa mangina ary tsy nitaraina fa niady fo aman’aina.

Nizotra tany amin’ny fahombiazana tsikelikely ka nanomboka nanaitra ny ambanilanitra ny vokatra azo. Nahazo ny medaly alimo. Nitosaka ny volabe ka maro ireo mpilalao no tonga mpanefoefo vetivety teo.

Noheverina ho kisendrasendra ny vokatra azo. Mbola noporofoiny indray izany tamin’ity 2025 ity ka nandrombahana ny medaly volafotsy. Nirarakompana ny «sôsy» ka nisy indray ireo «milionera» vaovao. Niavaka ny tamin’ity fa tsy ny vola ihany no azo fa hatramin’ny «villa» sy ny fi­sondrotana teo amin’ny asan’ireo mpilalao. Tonga olo-malaza ny coach Rôrô, ilay nahatonga olona sy fianakaviana maro ho «milionera».

Ny hazo no vanon-ko lakana

Ny katsaka no mibaby telo, ny tany nitsimoany no lonaka aok’izany ary ny om­by no soa dongadonga ny ahitra noraofiny no maitso mavana. Tsy tongatonga ho azy ny fahombiazan’ny coach Rôrô fa nisy ny namolavola azy. Fony izy mpilalao, anisan’ireo namolavola azy, Raveloma­nantsoa Claude (Ra-Glady), mpanazatra ny FC BFV hany ekipa tokana tonga tamin’ny manasa-dalana tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ny taona 1986. Sady nilalao izy no efa nandranto izay fampianarana nomena azy ary naka traikefa niandalana.

Ny coach Ra-Glady sy ny coach Rôrô, ny hany nametraka tantara ho an’ny baolina kitra malagasy aloha hatreto. Raha tsiahivina ny coach Ra-Glady nahavita nandresy an’i Zambia, tany amin’ny taniny. Anisan’ny toetra iray nolovainy tamin’io mpanazatrany io ny fitsipi-pifehezana niainany niaraka taminy ka tsy misangy mihitsy izy amin’ny fandikan-dalàna ataon’ny mpilalaony. Na izany aza, masiaka be ronona ny coach Rôro. Tsotra, misokatra ho an’ny rehetra saingy hentitra amin’ny zavatra atao.

Vavaka, asa sy fianakaviana

Tsy nanankina ny fahaizana amin’ny maha mpanazatra azy ny coach Rôrô fa nametraka izany teo am-pela­tanan’Andrianamanitra amin’ireo fifaninanana rehetra atrehiny. Ankoatra izay, tena na­nampy azy betsaka ny vady aman-janany. Rehefa tojo fotoana sarotra, mankahery azy ireo ankohonany. Ani­san’ireo olona hakany hevitra manokana amin’ny fanapahan-kevitra goavana ny vadiny, izay teo anilany hatrany na tsara na ratsy ny vokatra azony.
Tsy tia tena fa olona tia mizara sy manampy

Tena olona manetri-tena fatratra ny coach Rôrô. Tsy mba manandra-tena na mihebohebo amin’ny zava-bitany ary tsy mihevitra ny tenany ho fara tampony. Ambeti-teniny ny hoe : “mila mikaroka, mila mianatra ary mila mikotrana mafy raha te ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra”. Tsy tia tena izy amin’izany fa mizara ny traikefa azony ary manoro ireo izay mitady fanampiana.
Association Sportive Rôrô (ASR), sekolin’ny baolina kitra natsangan’ny coach Rôrô. Nataony hitaizana sy hampianarana ireo kilonga lahy sy vavy maniry ho lasa mpilalao baolina kitra matihanina fa tsy ho antom-pivelomana. Tsy ny baolina ihany no hampianariny azy ireo fa ny hahatonga ireo ankizy ho olom-banona sy mahay baolina ka tsy ho reharehan’ny ASR fa ho lazan’i Madagasikara ka ho lasa «milionera» koa atsy ho atsy.

 

Partager sur: