DAKA AN-JORONY: Ataovy toy ny sinibe manga roa

Niteraka hevitra samihafa ny fanomezana natolotra ho an’ireo mpilalao sy ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara, taorian’ny nahazoany ny laharana faharoa nandritra ny Chan natao tany Kenya, ny faran’ny volana aogositra lasa teo. Ankoatra ny lelavolabe sy ny fanampiana isam-bolana azon’ny tsirairay, mbola nomena villa ihany koa izy ireo.
Nanaitra ireo atleta hafa izany ka naneho ny alahelony izy ireo satria mba nitondra avo ny voninahi-pirenena ihany koa saingy zara fa nahazo izay valin-kasasarany. Ataovy toy ny sinibe manga roa, ka tsy misy tombo sy ala.
Ekena fa sasanangy samihafa ny taranja hafa raha mitaha amin’ny baolina kitra, izay mpanjakan’ny fanatanjahantena. Tsy eto Madagasikara ihany ny mampisongadina izany fa hatrany ivelany. Tsaroan’ny rehetra ny nandrombahan’ny PSG ny «ligue des champions » fa fety be nanaraka ny arabe ny fitsenana azy ireo ary noraisin’Atoa Emanuel Macron tao amin’ny Champs-elysées ry zalahy. Teo koa ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, nahazo ny Can nomen’ny filoha Ivoarianina, trano ireo mpilalao.
Na izany aza, samy nitondra ny voninahi-pirenena ka tsy tokony asiana havan’ny lahy sy havan’ny vavy. Aza asiana mamy sy mangidy na atiny sy ivelany fa ataovy toy ny sinibe manga roa, ka tsy misy tombo sy ala.
Raha tiana tokoa ny vary, ny tanimbary no asian-jezika fa aza atao toy ny tahom-boanjo, ka ny nahitana indray no akifikifika. Eto nefa marina ilay fitenenana hoe : rehefa mandeha ny baolina kitra, mandeha ny zava-drehetra. Tsy mitady fitoviana amin’ny baolina kitra ireo taranja hafa fa mba atao mifanahatsahana ka aleo atao ho toy ny sinibe manga roa, ka tsy misy tombo sy ala.

Tompondaka

Partager sur: