Nampiaiky izao tontolo izao ny fanajana ny zon’olombelona eto amintsika, araka ny lahatenin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis tany Belo Tsiribihina, ny zoma teo. « Tena miroso amin’izany isika, indrindra ny fanajana ny olona eny amin’ny fonja », hoy izy.
Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Bianco sy ny Fadintseranana amin’ny alalan’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny Fadintseranana (ENSD). Tafiditra amin’ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly « SNLCC 2025–2030) izany. Hisy ny fanofanana mpiasa miisa 100 ny 9 sy 10 septambra ary any Toamasina kosa ny 23 septambra.
Miantso ny tompon’andraikitry ny polisim-pirenena mba hamaha haingana ny olana amin’ny afitsok’ireo polisy ao Anjozorobe ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana. « Tena tafahoatra ny fakana vola ataon’izy ireo, na fiara mpitatitra entana na sarety aza. Lasa mavesatra loatra ho an’ireo mpitatitra ireo ny vola tsy maintsy aloa amin’izy ireo », hoy izy.
Tsy mbola madio ny tokotany amin’ny hanaovana fifidianana loholona, araka ny nambaran’ny mpitarika ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard. Hifidy loholona nefa ny kaominina maromaro tsy manana ben’ny Tanàna. Mbola any amin’ny fitsarana koa ny didy ho an’ny hafa… « Hitahiry olana eto isika ka aleo mifampiresaka », hoy izy.




